Booknews Madagascar...
Press "Enter" to skip to content

Toekarena – Manandratra ny vita Malagasy ny Holcim

Book News Madagascar 1

Last updated on 30/11/2024

Nankasitraka ireo mpivarotra simenitra manandratra ny vita Malagasy ny orinasa Holcim. Nisy araka izany ny fizarana fanomezana natolotra ho an’ireto mpivarotra simenitra ireto ny zoma faha 13 Martsa.

Fanomezana maro no nozarain’ny Holcim ho an’ireo mpivatotra

Holcim mizara dia hetsika nokarakarain’ny Holcim Madagascar entina hankasitrahana ireo mpivarotra simenitra Holcim manerana ny Nosy.

Ny 16 oktobra 2019 ka hatramin’ny 16 Janoary 2020 lasa teo dia nentanina ireo mpivarotra simenitra mba hitsinjara ny simenitra vita Malagasy eny amin’ny tsena rehetra.Tao anatin’izany dia nomena isa isakin’ny mividy simenitra Holcim iray taonina ireo mpivarotra.Ireo rehetra nahatratra isa enim-polo (60) no mihoatra dia nomena fanomezana avokoa. Diman-jato (500) mahery ireo mpivarotra simenitra nandray anjara.

Araka ny isa voangona dia misy ireo mpivarotra nahazo « écran plat », latabatra fihinana feno, vata fampangatsiahana, finday avo lenta, fandrahoana sakafo, « mini four », « bon d’achat » ary fahana. Mitentina iray hetsy ny sandan’ny loka ambany indrindra.

Ny zoma 13 Martsa no notanterahina ny fanolorana loka.

Fanolorana fanomezana ho an’ireo mpivarotra simenitra vita Malagasy. cc : Holcim

Mpivarotra simenitra roa no nahazo ny loka ambony indrindra dia ny fahazoana ny sidina antohana manontolo ho any amin’ny Nosy Maorisy.

Andiany voalohany ity hetsika Holcim mizara ity ary ho ahavaozina isan-taona mba entina hankasitrahana ireo mpivarotra sy hanandratana ny vita Malagasy.

Marihina fa ny Holcim dia Orinasa mamokatra sy mivarotra simenitra. Manana ozinina roa izay any Antsirabe sy any Toamasina.

Toria Dimbiniaina

0 0 votes
Évaluation de l'article
Subscribe
Notify of
guest
1 Commentaire
Oldest
Newest Most Voted
Inline Feedbacks
View all comments
1
0
Would love your thoughts, please comment.x
()
x