Booknews Madagascar...
Press "Enter" to skip to content

Fampianarana ambony – Boky miisa 100 000 natolotra ho an’ny ministera

Book News Madagascar 1

Last updated on 26/12/2024

Manamafy hatrany ny fiarahamiasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara ny Fitondrana Indianina. Misy ny fiarahamiasa amin’ny Fanjakana ho fanatanterahana izany

Fanolorana boky

Boky miisa 100 000 no natolotry ny Masoivoho Indianina ho an’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika na MESUPRES teny Tsimbazaza ny Talata 14 Janoary 2020.

fampianarana ambony
[Blanche Nirina Richard(ankavia), minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, sy Abhay Kumar, Masoivoho Indianina(ankavanana). cc: Toria Dimbiniaina

Boky izay ahitana lohateny miisa 37. Mahatratra 108 000 dolara ny tetibidiny. Ahitana karazana taranja maro ireto boky ireto toy ny Matematika, Tantara, Jeografia, sns.

Ireto boky ireto moa dia hozaraina amin’ireo oniversite rehetra manerana ny Nosy sy ireo ivon-toeram-pikaroha­na eo anivon’ny Ministera.

Ankoatra izay dia notokanana nandritra io fotoana io ihany koa ny trano vaovao natokan’ny MESUPRES hampirantiana ireo vakoka sy hampianarana momban’ny tontolo iainana sy ny fikajiana azy.

Fampianarana hampitain-davitra
Miroso mankany amin’ny fanatrarana ny tanjona “Fampianarana ambony ho an’ny rehetra” ny MESUPRES. Hivelatra araka izany ny fiarahamiasa amin’ny MESUPRES sy ny Governemanta Indianina ho fanatanterahana io tanjon’ny ministera io.

Nohamafisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Blanche Nirina Richard, fa “amin’izao dia novelarina ny fiarahamiasa mba ahafahana manao fampianarana hampitain-davitra izay hampiharahana amin’ny fanatrarana ny “fampianarana ambony ho an’ny rehetra” ao anatin’ireny Oniversite any amin’ny Faritra ireny.“Ny fametrahana ny oniversite amin’ny Faritra dia mifandray indrindra amin’ny politikan’ny fitsinjaraham-pahefa­na”, hoy izy nanampy izany.

Efa miroso amin’ny fanaparitahana ny Oniversite manerana ny Faritra 23 ny MESUPRES amin’izao. Nilaza ny Minisitra fa oniversite efatra no efa an-dalam-panamboarana­. Ny enina kosa dia ezahina ho vitaina amin’ity taona ity.

Toria Dimbiniaina

0 0 votes
Évaluation de l'article
Subscribe
Notify of
guest
1 Commentaire
Oldest
Newest Most Voted
Inline Feedbacks
View all comments
1
0
Would love your thoughts, please comment.x
()
x