Last updated on 27/01/2025
Sosialy – Fanampiana ho an’ny Asama, ivotoerana mamerina ireo ankizy niala amin’ny fianarana
Nanolotra fanampiana ho an’ny mpianatry ny Asama ny Ingenosia.
Fanampiana
Nanampy ireo ankizy sahirana ao amin’ny kilasy Asama eny Ambolokandrina ny orinasa Ingenosia ny Alarobia lasa teo. Nisy ny fanomezana fitaovam-pianarana na “kits scolaires” miisa 25 ho an’ireo mpianatra 25 hanala fanadinam-panjakana CEPE, ny fiantoana ny “cantine scolaire”, ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra mandritra ity taompianarana ity avy amin’ny Ingenosia ho an’ny Kilasy Asama Ambolokandrina.
An-tapitrisany maro no tetibidin’ireo fanampiana nomen’ny Ingenosia. Miaramiasa amin’ny Rotary Club Mahamasina ny Ingenosia amin’izao fanampiana ny kilasy Asama izao. Natao ho an’ireo mpianatra niala tamin’ny fianarana nohon’ny fahasarotan’ny fiainana ny kilasy Asama. Tanjona ny hamerina azy ireo indray amin’ny fianarana.Na dia maro ny asa fa notohanan’ity orinasa ity manokana ny fianarana satria io no fototry ny fampandrosoana.
Nilaza Jean Luc Rajaona, Tale jeneralin’i Ingenosia fa “ankoatra ny maha orinasa mpisehatra amin’ny lafiny teknolojia an’i Ingenosia dia mandray anjara amin’ny fanasoavana ny mpiarabelona. Nosafidiana manokana ny kilasy Asama noho ity ivo-toerana ity mamerina ireo ankizy niala tamin’ny fianarana. Ny tanjona dia hamerina ireo ankizy ireo mba afaka manala CEPE aorian’ny herintaonan’ny fianarany”.
Manana traikefa manokana ny mpampianatra ao amin’ny kilasy Asama satria dia mianatra mandritra ny herintaona ihany ny mpianatra ao aminy dia afaka manala CEPE avy hatrany raha toa ka maharitra 5 taona ny mahazatra.
Manana anjara tokony ho tafita ny ankizy raha mba misy manampy. Porofon’izany ny fisian’ireo ankizy efa tafita nandalo tao aminy. Misy amin’ireo ankizy avy amin’ny kilasy Asama no efa tafita eo amin’ny fianarana sy eo amin’ny asa.
Efa hatramin’ny taona maro no nisy ny hetsika fanampiana sy ny kilasy Asama nataon’ny Rotary club Antananarivo Mahamasina.
Zava-dehibe izao fanampiana izao satria “tsy afaka nanohy ny fanampiana ny Rotary raha tsy nisy ny fanampiana nataon’ny Ingenosia”, hoy ny Filohan’ny Rotary Club Mahamasina.
Ankoatra izay dia hiezaka ny Rotary club Mahamasina ny hametraka seza amin’ny toeram-pianarana amin’ny kilasy Asama amin’ity taona ity.
Efa nahatratra 450 ny mpianatra nandalo tao amin’ny kilasy Asama tao anatin’izay 20 taona nijoroany izay.
Toria Dimbiniaina