Press "Enter" to skip to content

Zo ara-pananahan’ny vehivavy – Hamafisina ny fampahafantarana eny ifotony sy ny adisisika atao amin’ny Fanjakana

Book News Madagascar 0

Hiara-hiasa amin’ny haino vaky jery ny CNFM ho fanajana ny zo ara-pananahana sy ara-pahasalamanan’ny vehivavy.

Fiaraha-miasa amin’ny haino vaky jery

Anisan’ny sakana tsy nahavitan’ny Fanjakana Malagasy nanao ny fankatoavana na ny “ratification” “Protocole” hatreto ny fisian’ireo fomba malagasy sasany izay mbola tsy manaja ny zo aman-kasin’ny vehivavy sy ny tsy fahafantaran’ny fiarahamonina ny  tombontsoa azon’ny vehivavy amin’ny fankatoavana ity lalàna iraisampirenena ity”, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CNFM.

Manoloana izany dia misy ny tetikasa Innov’action izay entin’ny CNFM na ny Conseil National des Femmes de Madagascar hanaovana ady sisika sy fanentanana ny mponina eny Ifotony ny mahakasika ny zo ara-pananahana sy ara-pahasalamanan’ny vehivavy. Ankoatra ireo tomponandraikim-panjakana sy ny fiarahamonim-pirenena dia miara-miasa amin’ireo haiko vaky jery koa ny CNFM amin’ity tetikasa ity.

Mifototra amin’ny fampanajana ny zo ara-pananahana ara-pahasalamana. Natao ihany koa mba hisian’ny ady sisika amin’ny fankatoavana ny “Protocole de Maputo” ity tetikasa ity.

Mba hisian’ny fiarahamiasa matotra sy fampafantarana hatrany ifotony ny zo fototra ny vehivavy sy ny fanahahana ara-pahasalamana izay dia nampiofana ireo mpanao gazety avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny Faritra ny CNFM ny faran’ny herinandro teo. Natao ihany koa izao fihofanana izao mba hisian’ny ady sisika amin’ny fankatoavana izany “Protocole de Maputo” izany.

Efa nanomboka ny volana Septambra 2024 ny tetikasa Innov’action en DSSR izay tanterahin’ny CNFM (Conseille nationale des femmes Malagasy) ary aharitra 18 volana.

Marihina fa Firenena afrikanina miisa 50  no efa nankatoa ny  “Protocole de Maputo”. Miisa 10 kosa no mbola tsy nahavita izany ka anisan’izany i Madagasikara na dia efa nanao sonia ity fifanarahana iraisampirenena ity aza ny taona 2004. “Hisy araka izany ny ady sisika isankarazany ho ataon’ny CNFM mba ahatonga an’i Madagasikara hankato ity “Protocole de Maputo”,

araka ny nambaran’ny filohan’ny CNFM, Estelle Andriamasy.

Toria Dimbiniaina

0 0 votes
Évaluation de l'article
Subscribe
Notify of
guest
0 Commentaires
Oldest
Newest Most Voted
Inline Feedbacks
View all comments
0
Would love your thoughts, please comment.x
()
x