Last updated on 27/01/2025
« Manana adidy lehibe amin’ny famerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ary miara-misalahy amin’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena amin’ny fifehezana izany fandriampahalemana izany », io no nambaran’ny Praiminisitra nandritra ny fitsidihany ny Etamajoro jeneralin’ny Tafika Malagasy teny Andohalo ny Talata teo.
Famerenana ny fandriampahalemana
Nitsidika ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy teny Andohalo, hanara-maso ny fomba fiasan’ny rantsa-mangaika miandraikitra ny fandriampahalemana ao an-toerana ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ny Talata maraina teo.
Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa « manana adidy lehibe amin’ny famerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ary miara-misalahy amin’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena amin’ny fifehezana izany fandriampahalemana izany, indrindra mba hahatongavana amina rafitra iankinan’ny fampandriana fahalemana, izay mifanaraka amin’ny takian’ny toetr’andro ankehitriny ».
Nomarihin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta fa « misy faritra efa azo lazaina ho milamindamina eto amin’ny nosy, toy ny any Avaratra sy iny Atsimo-Andrefana iny, saingy mbola betsaka ny ezaka hatao hamerenana ny filaminana, toy ny ho an’ny Faritra Andrefana, Matsiatra Ambony, ary Atsimo Atsinanana ».
Noraisin’ny fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana ny famerenana ny fandriampahalemana ary efa hatramin’ny herintaona no natomboka ny hetsika mifandraika amin’izany. Hatrizay hoy izy dia ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena no mpisehatra mivantana amin’ny fametrahana izany fandriampahalemana izany, saingy manoloana ireo fanamby napetraka izay tsy maintsy hitondrana vahaolana.
Niova ny fomba fijery ny Tafika Malagasy ka ankehitriny dia lasa mandray anjara feno amin’izany izy, indrindra eny amin’ny faritra ambanivohitra. Fantatra fa efa nisy ezaka natao toa ny fampitaovana ny Tafika, mba hahafahana mandrakotra manontolo an’i Madagasikara, eo amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana.
Toria Dimbiniaina