Last updated on 30/12/2024
Notanterahina tamin’ny Sabotsy 11 Janoary teo ny famoahana ny mpianatry ny ESTIM’ Andiany faha 15 mitondra ny anarana Fanaja.
Navoaka ny Andiany Fanaja avy amin’ny Estim
Manodidina ny 100 ireo mpianatra andiany Fanaja nivoaka ny Sabotsy faha 11 Janoary teo. Mpianatra manaraka ny fianarana ampitain-davitra sy an-tsekoly avy amin’ny lalam-piofanana miisa 6 ireto andiany Fanaja ireto. Nahazo mari-pahaizana DTS, Licence, Master 1, Master 2 ireo mpianatra indray nivoaka ireo.
Ankoatra izay, lalam-piofanana vaovao vao noforonina tao amin’ny ESTIM’ ny “Science de l’interprétation et de la communicationestim“.
Misy ihany koa ny fandraisana ireo mpianatra marenina 7 mianadahy afaka Bakalorea tamin’ny taom-pianarana farany teo hanaraka ny lalam-piofanana informatika. Izany dia vokatry ny fiarahamisa amin’ny sekolin’ny marenina Akama eny 67ha.
Ankoatra ny fampianarana dia misy ihany koa ny asa sosialy ataon’ity sekoly ambony ity toa ny fambolen-kazo, ny fiahiana ireo zaza tezaina ao amin’ny Akama, ny fanomezana amin’ny Fetim-pirenena sy ny Krismasy.
Kalitaon’ny fampianarana ambony
Misy amin’ireo sekoly ambony eto amintsika no tsy manara-dalàna sy tsy manaram-penitra. Ohatra amin’izany ny famoahana mari-pahaizana Bakalorea+2 ao anatin’ny herintaona na Bacc+3 ao anatin’ny roa taona.
Fomba fiasa izay mampihen-danja ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Noho izany dia miantso ny tomponandraikitra mba handray andraikitra sy hanaramaso ny lafiny fampianarana eto Madagasikara ny Tale jeneralin’ny ESTIM’, Andrianadison.
Nambarany fa “misy fenitra fara fahakeliny tsy maintsy arahina amin’ny fanokafana sekoly ambony toy ny fananana “Agrément” sy “Accréditation”.
Toria Dimbiniaina