Booknews Madagascar...
Press "Enter" to skip to content

Fifamoivoizana – Niverina amin’ny endriny vaovao ny « Police de la route »

Book News Madagascar 0

Last updated on 27/01/2025

Niverina nanomboka ny Alatsinainy teo ny « Police de la route » ho an’Antananarivo Renivohitra, amin’ny endriny vaovao.

Miverina ny « Police de la route »

Niverina nanomboka ny Alatsinainy faha 13 janoary teo ny « Police de la route » ho an’Antananarivo Renivohitra, amin’ny endriny vaovao, araky ny nambaran’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Ny eto Antananarivo no voalohany hiverenan’izany police de la route izany, satria teto no nahavita ny fiofanana. Ny fiofanana any amin’ny Faritany dia hanomboka amin’ity herinandro ity.

Araka izany dia miaraka amin’ny taratasy « ordre de mission » ireo « Police de la route » manao ny asany. Manana « badge » misy ny andraikitra sahaniny ilay Polisy miampy ny laharana finday azo antsoina (034 05 517 04) raha toa ka misy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ilay Polisy.

Miaraka amin’ny antontan-taratasin-t­sazy (Fiches de contravention) ihany koa izy ireo ary tsy afaka alain-tahaka sy TSY AZO ITONDRANA FIARA.

Misy ihany koa ny fanavaozana sy fanapariahana ireo takelaby « Halte police » mivalon-droa ho an’ireo Kaomisaria foibe, kaomisaria distrika, hery vonjitaitra ary kaomisarian’ny boriborin-tany.

Misy soratra mivaky toa izao : « Police miady amin’ny kolikoly, Antsoy ity laharana ity (le numéro du service) », miampy an’ireo fitaovana vitsivitsy toy ny fluorescent sy ny fanavaozana ny fanamiana mba ho araka ny toetran’ny andro.

Ho an’ireo Fiara mijanona tsy manara-dalàna amin’ny sisin-dalana indray dia efa misy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny kaominina amin’ny fametrahana ireo “Sabots de roue”, eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny tafika Malagasy amin’ny fibatana ireo fiara mipetraka amoron-dalana. Eo am-pamerenana ny laharana maitso ihany koa ny Polisy.

Ankoatra izay dia fantatra fa ny trano printim-pirenena no hanonta ny antontan-taratasin-ts­azy izay manodidina ny roa na telo volana eo ho eo. Mandrampahatongan’izay dia hisy ny “fiche de contravention provisoire” izay noezahina tsy ho mora alain-tahaka.

Tsara any manamarika fa nisy ny fiofanana manokana hoan’ireo polisy hisahana ny fizotry ny lalana ireo. Notsongaina manokana ihany koa izy ireo.

Toria Dimbiniaina

0 0 votes
Évaluation de l'article
Subscribe
Notify of
guest
0 Commentaires
Oldest
Newest Most Voted
Inline Feedbacks
View all comments
0
Would love your thoughts, please comment.x
()
x