Booknews Madagascar...
Press "Enter" to skip to content

Fanatanjahantena – Haharitra 18 volana ny fanamboarana ny Kianjan’i Barea Mahamasina

Book News Madagascar 0

Last updated on 30/12/2024

Hanomboka amin’ity fiandohan’ny herinandro ity ny fanamboarana ny kianjan’i Barea Mahamasina. Hizara roa ny fanamboarana azy ary haharitra 18 volana ny fanatanterahana izany.

Kianjan’i Barea Mahamasina: atomboka ny fanamboarana

Haharitra 18 volana ny asa fanavaozana sy fampanarahana fenitra ny Kianjan’i Mahamasina ka ny tapany voalohany amin’izany dia mahakasika indrindra ny “tribunes”, mba hahazaka 15 536 toerana. Hovitaina mialoha ny 26 Jona 2020 io tapany voalohany io mba ahafahan’ny Malagasy mankalaza am-pilaminana ny fahatsiarovana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena.

Hitohy ny asa hatramin’ny volana Jona 2021 izay mahakasika ny toerana ipetrahana na ny “gradins”. Miisa 9 704 ireo toerana vaovao fanampiny eny amin’ny gradins, manampy ireo 15 640 izay efa misy eo an-toerana amin’izao fotoana izao.

Hisy seza fipetrahan’ny tsirairay na ny “gradins” na ny “tribunes”, misy laharana avokoa hanamorana ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ny tsirairay manomboka amin’ny fividianana tapakila, ny fandaminana ny toerana hidirana sy hivoahana ary ny fanaraha-maso ny mpijery rehetra raha sendra misy mitady hihoa-pefy.

Mba hisorohana ny fifanosehana dia hisy vavahady fidirana 6 lehibe mitondra ao amin’ny kianja, 28 tohatra fidirana sy fivoahana eny amin’ny gradins sy tribunes, ary malalaka sy voajary ny ivelany manodidina ny kianja.

Hisaraka tanteraka ny toeran’ny mpijery sy ny kianja ka tsy hisy olona tafidina eny amin’ny kianja ankoatra ny mpilalao.

Ho fanamafisana ny fiarovana dia ho fenoina “caméras de surveillance” ihany koa anatiny sy ny manodidina ny kianja.

[kianjani mahamasina.png]

[Nisy ny famoriana mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra momba ny fanamboarana ny Kianjan’i Mahamasina. cc : Toria Dimbiniaina]

Endrika vaovao

Homena endrika manokana hahitana taratra ny maha-Malagasy ny kianja. Endrika boribory voaravaka vy manodidina, manana tao-trano miavaka niainga tamin’ny endriky ny ravinala.

Hiova endrika ihany koa ny ivelan’ny kianja, hisy toeram-pivarotana sy toeram-pisakafoanana­ isan-karazany ambanin’ny tribunes, toy ny any amin’ny kianja iraisam-pirenena any ivelany.

Hifefy vy mangarahara hahafahana mahatazana ny ao anatiny ny kianja ary ho voaravaka jiro manodidina.

Fenitra iraisam-pirenena

“Pelouse hybride” manaja ny fenitra ny FIFA no hapetraka ao Mahamasina. Efa misy ny fomba fanondrahana sy fikajiana ranon’orana anatiny izy io.

Ankoatra izay dia hohajariana ireo birao sy toeram-panomanana isan-tsokajiny toy ny birao, efitra ho an’ny Federasiona, toeram-piomanana, toeram-pakana aina sy fanomanana ara-batana ho an’ireo mpilalao ary ny toerana voatokana ho an’ny mpanao gazety.

Hisy fitaovam-piadiana amin’ny fanamafisam-peo ivelany sy anatiny sy ny solaitrabe elektronika roa .

Marihina fa ny orinasa China State Construction Overseas Development (CSCOD) no tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana ny asa. Mitentina 77 tapitrisa dolara kosa ny teti-bola entina hanamboarana ity kianjan’i Mahamasina ity.

Toria Dimbiniaina

0 0 votes
Évaluation de l'article
Subscribe
Notify of
guest
0 Commentaires
Oldest
Newest Most Voted
Inline Feedbacks
View all comments
0
Would love your thoughts, please comment.x
()
x