Last updated on 30/11/2024
Last updated on mai 1, 2020
Asaina hikaon-doha anatin’ny 54 ora ireo izay manana tetik’asa rehetra manodidina ny lohahevitra tokana: ny ady amin’ny Covid-19 mandritra ity « Global Startup Weekend – Covid-19 online Madagascar » ity.
Global Startup Weekend – Covid-19 online Madagascar
Mbola mitohy ary mihamafy hatrany ny vokadratsin’ny valan’aretina coronavirus manerana izao tontolo izao. Manohy mitady vahaolana hatrany ny rehetra, na ny fanjakana, na ny rafitra tsy miankina isan-karazany.
Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’ity fikarohana vahaolana ity ny Techstars izay sehatra iraisam-pirenena miompana amin’ny fampiasam-bola sy fanavaozana miara-miasa amin’ny orinasa 1.900. Mampiasa vola mihoatra ny 26 miliara dolara izay entina mitondra karazana fanovana eo amin’ny sehatry ny fandaharan’asa sy ny fiaraha-mientan’ny mpiara-monina ny Techstars. Izany dia natao mba hitandroana ny filaminana sy hitohizan’ny fanohanana ireo orinasa vao misandratra sy ny mpitondra fijery vaovao.
Hisy araka izany ny “Startup Weekend” karakarain’ny Techstars amin’ity volana aprily ity, ka anisan’ireo firenena 60 mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Ao anatin’izay hetsika izay dia mikarakara ny « Global Startup Weekend – Covid-19 online Madagascar » ny Techstars, izay iarahany miasa amin’ny Institut International des Sciences Sociales, izay toeram-mpampianarana avo lenta. Hetsika mipaka erak’izao tontolo izao izy io, ho tanterahina ny 24 sy 25 ary 26 aprily ho avy izao. Asaina hikaon-doha anatin’ny 54 ora ireo izay manana tetik’asa rehetra manodidina ny lohahevitra tokana: ny ady amin’ny Covid-19.
Samy hiasa any an-tokantranony avy ny mpandray anjara ka ny Internet no entina mifandray amin’ny famolavolana ny vahaolana mifandraika amin’ny ady atao amin’ny valan’aretina covid-19 eto an-toerana. Raha bangoina tokana dia hamolavola prototypes izay afaka hamaha ireo fanamby lehibe indrindra aterak’ity areti-mifindra ity ireto farany.
Afaka mameno ny fangatahana ao amin’ny pejy alohan’ny 22 aprily 2020 ny sasak’alina izay maniry handray anjara.

Ny fizotry ny hetsika
Hampitaina iray andro mialohan’ny hetsika ireo tetik’asa voafantina hifaninana, ary hanangana ny ekipany ny mpandray anjara.
Ny andro voalohany, ny zoma 24 aprily 2020, dia fampahafantarana ireo tetik’asa. Mampahafantatra amin’ny alalan’ny Internet ny tetik’asany ireo tompon-kevitra rehetra, anatina fandraisam-pitenenana 60 segaondra avy. Eo am-pamaranana ny fampahafantarana ireo tetik’asa no misafidy ireo hevitra izay tena nandresy lahatra azy ireo mpandray anjara. Ny andro faharoa sy fahatelo, ny 25 sy 26 aprily 2020, dia fikaonandoha sy fiaraha-miasan’ny vondrona ary fampianarana.
Ireo mpandray anjara izay nizara isaky ny vondrona dia hiara-hiasa amin’ireo namany amin’ny halalan’ny internet mandritran’ny 2 andro, manomboka any amin’ny famolavolana ilay tetik’asa hatrany amin’ny fampahafantarana farany azy. Mandritran’izany fotoana rehetra izany anefa dia hatrehin’ireo mpampiofana ireo vondrona ireo, tolorany hevitra ary hizarany fahaiza-manao.
Ny atoandron’ny andro fahatelo ny “Demo Day”. Faranan’ireo vondrona tsara ny tetik’asany ary ho tolorany anatine horonan-tsary. Ny vondron’ny mpitsara no hisafidy ireo ekipa 10 sangany izay handray anjara amin’ny andro fampisehoana virtoaly mivantana ny harivan’io andro io. Eo koa no hanononana ireo mpandresy.
Toria Dimbiniaina