Press "Enter" to skip to content

Fambolena katsaka – Tsy ampy ny vokatra eto Madagasikara

Book News Madagascar 0

Manome tantsoroka ireo tantsaha mba hampitombo ny vokatra katsaka ny LFL.

Tsy ampy 100 000 taonina ny katsaka vokatra eto Madagasikara

Tsy ampy 100 000 taonina akory ny katsaka vokatra eto Madagasikara tamin’ny taona 2024. Ahiana mbola hihena tsikelikely izany hatramin’ny taona 2030 raha tsy misy vahaolana.

Manoloana ny tsy fahampian’ny vokatra mamaly ny filàna eo amin’ny tsenan’ny katsaka dia misy ny fanentanana sy fanampiana ny tantsaha mba ahafahana mameno io tsena io.

“Misy ny tohana fandraisana ireo vokatry ny tantsaha rehetra izay miaramiasa amin’ny LFL. Eo ihany koa ny fandefasana teknisiana manampahaizana manokana hanampy ireo tantsaha amin’ny fambolena sy fampitomboana ny voakatra katsaka. Eo ihany koa ny fanomezana masomboly sy fitaovampamokarana mba ahafahana manafaingana sy manamora izay famokarana izay”,

manazava Frank Razanamino, Talen’ny LFL.

Tahan’ny fihinana henan’akoho sy ny atody eto Madagasikara

Ankoatra izay, mbola ambany ihany koa ny tahan’ny fihinana henan’akoho sy ny atody eto Madagasikara. 2 kilao isan’olona isan-taona ny fihinana akoho eto amintsika. Eo amin’ny 15-20 atody isan-taona ny fihinana atody eto Madagasikara, araka ny tatitra avy amin’ny LFL, raha atody 1 andro isan’olona no tokony hoanina, araka ny fenitra avy amin’ny OMS na ny Organisation Mondiale de la Santé.

Anisan’ny olana mahatonga io “ny tsy fahampiana io ny tsy fahafantaran’ny tantsaha ny fomba fikajiana ny haba alain’ny fanjakana ka mahatonga ny mpiompy miafina amin’ny sehatra ny fiompiana sy mahakely ny vokatra. Eo ihany koa ny tsy fahampianan’ny fahefa-mividy ny mpanjifa izay miteraka fahakelezan’ny entana eny an-tsena. Mbola tsy ampy ihany koa ny akora fototra ilaina amin’ny fiompiana”, hoy hatrany Frank Razanamino.

Mba ahafahana mamaha tsikelikely izany olana izany dia namokatra ny Kambo ny LFL, izay fitambaran’ny akoho gasy nohatsaraina sy ny provandy mifanaraka amin’izay. Tanjona ny hanome vokatra vaovao ankoatra ny “poulet de chair” sy “poule pondeuse” izay safidy hafa ahafahan’ny mpanjifa mampitombo ny fihinana akoho sy atody eto Madagasikara.

Toria Dimbiniaina

0 0 votes
Évaluation de l'article
Subscribe
Notify of
guest
0 Commentaires
Oldest
Newest Most Voted
Inline Feedbacks
View all comments
0
Would love your thoughts, please comment.x
()
x