Last updated on 30/11/2024
Tanjona iombonan’ny Oniversite an’Antananarivo sy ny Masoivohon’i Etazonia ny hisitrahan’ny mpianatra kalitaom-pampianarana manara-penitra. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa sady seha-piofanana lehibe ho an’ireo mpampianatra teny anglisy maro eto an-toerana ny Oniversite an’Antananarivo.
English version avalaible here
Fanatsarana ny efitrano fianarana
Anisan’ny sampam-pampianarana misongadina ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny taranja Anglisy. Nanampy amin’ny fanatsarana ny tontolo fianarana ao amin’io seha-piofanana lehibe iray io ny Masoivoho Amerikanina ka nanolotra fitaovana elektronika sy fanaka an-dakilasy eny amin’ny Oniversite an’Antananarivo, ny zoma 20 Janoary 2023.
Talantalana, latabatra birao, seza, fahitalavitra sy fitaovana elektronika maro samihafa natolotra ny Oniversiten’Antananarivo ny zoma 20 Janoary lasa teo. Heverina fa hanampy sy hampirisika hatrany ireo mpianatra hisitraka fomba fianarana mahomby kokoa ny fisian’ireo fanomezana ireo.
Nandray ireo fanampiana ireo avy amin’ny Mpanolontsaina misahana ny Serasera sy ny Kolontsaina eto amin’ny Masoivohon’i Etazonia, Ryan Bradeen, ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, ny Profesora Mamy Ravelomanana, androany, notrononin’ny Sojaben’ny Fakiolten’ny Haisoratra sy ny Teny ary ny Siansan’ny mahaolona, Fanja Tahina Ralinirina, sy ny Lehiben’ny Sampam-pampianarana teny anglisy, Harilala Andrianarivelo, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara.
Tombontsoa ho an’i Madagasikara
Hatreto, ny Oniversite an’Antananarivo no misy ny sampam-pianarana ambony mikasika ny teny anglisy raha ho an’ny oniversitem-panjakana eto amin’ny firenena. anisan’ny nandrisika ny Masoivohon’i Etazonia hanolotra ireo fanomezana ireo izany.
« Amin’ny maha-tenim-pirenena be mpampiasa indrindra manerantany ny teny anglisy, teny hifanakalozana eo amin’ny raharaha iraisam-pirenena, ny tontolon’ny siansa sy ny « internet »; dia hanokatra fanararaotra ara-panabeazana sy ara-toekarena ho an’ny mpianatra Malagasy eto amin’ny firenena », hoy hatrany ny tatitra avy amin’ny fampitam-baovao.
Hisy ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta araka izany, ka hosokafana tsy ho ela eny amin’ny oniversite ny « American Corner » vaovao.
Shénica Ravoson