Last updated on 30/11/2024
Last updated on août 8, 2019
Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny Ampandrana ny tarika Ambondrona androany maraina. Nanararaotra nanome vaovao izy ireo nandritra izany valan-dresaka izany, ary nanararaotra nametraka fanontaniana ihany koa ny teto anivon’ny Book News Madagascar. Mamakia finaritra!
(Fanontaniana): 17 taona izay no nisian’ny tarika Ambondrona. Inona no azo ambara?
AmbondronA: 17 taona izay no nisian’ny tarika. “Albums” 6 no navoaka ary “vidéos Live” 3. Amin’ity taona ity dia maro ireo fampisehoana eritreretina hatao, dia ny Ambondrona 2018 Tour moa izany, eto an-toerana, any amin’ny faritra sy any ivelany amin’iny faraparan’ny taona iny. Ny akaiky indrindra dia ny fampisehoana izay hatao ao Antsahamanitra ny 24-25 marsa ho avy izao. Fanokafana ihany izy io fa mbola be no ho avy.
(F): Fa maninona no ao Antsahamanitra no hanatontosana ny seho?
AmbondronA: Miverina an-doharano, “retour aux sources” hoy ny fiteny, satria tao no nifankahalalana voalohany tamin’ny mpankafy, nisy fifanakalozana hafa ihany koa tao. Ny toerana tsirairay moa samy manana ny hanitra ho azy dia mba tianay indray ny miverina kely ao. Tamin’ny 2012 izahay no tao farany. Ny fampisehoana ao amin’ny Coliseum dia hisy foana fa mialoha izany dia misy ny lamin’asa tsy maintsy andalovana, misy fotoana mba milalao ao Antsahamanitra, misy fotoana Palais des Sports, misy ihany koa ny CCESCA rehefa hamoaka raki-kira… Indroa miantoana ny seho amin’ity: ny Sabotsy sy Alahady. Seho miavaka no ho hita ao.
(F): Seho miavaka hoy ianareo. Seho miavaka hanao ahoana?
AmbondronA: Seho miavaka satria hisy ny hampiray azy: hisy zavatra ho hita Sabotsy ary mbola ho hita koa ny Alahady. Hisy kosa anefa ny hahasamihafa azy, dia ny eo amin’ny lafiny fandaharan-kira izay tsy hitovy satria efa miha-maro ny hiran’ny tarika. Rehefa misy ny fampisehoana dia misy foana ireo miteny fa tsy natao ny hira izao na izao, ka ezahina ho atao samihafa ny fandaharan-kira. Haharitra adiny telo moa ny seho amin’ireo andro roa ireo.
(F): Anatin’izay fandaharam-potoana izay hatrany, misy ve ny eritreritra hamoaka raki-kira vaovao?
AmbondronA: Misy tokoa ny eritreritra hamoaka raki-kira vaovao enjehina amin’ity taona ity. Raki-kira fahafito moa io izany dia efa misy hira anankiroa sahady ho tafiditra ao anatiny: Tiako hitoetra, ary ilay hira Maraina vao izay navoaka vao tsy ela izay, ary holalaovina ao Antsahamanitra ihany koa amin’ny fampisehoana.
(F): Teny kely momba ilay hira vaovao “Maraina vao”?
AmbondronA: “Maraina vao”, vokatra farany avy amin’ny tarika Ambondrona. Sary sy feo no nanatontosa ny horonantsary, ‘Lay Tanàna Studio no naka ny feo, i Kix no namorona ny feony sy ny tonony ary ny tarika Ambondrona no miangaly azy.
Tamin’ity indray mitoraka ity dia hita fa maneho hafanana sy mampita hafatra mitondra herin-tsaina sy ainga vao ity hira ity, araka ny lohateniny hoe “Maraina vao”. Manambara ihany koa ny mpikambana ao amin’ny tarika fa mahakasika ny fifandaminana eo amin’ny fivarotana ny tapakila dia efa misy ny fandaminana napetraka, saingy misy ihany ny fanararaotana madinidinika.