Last updated on 30/11/2024
Last updated on août 8, 2019
Firifiry moa ny tanora Malagasy no maniry ny hitondra fiovana eto Madagasikara? Ny ankamaroany dia toa variana manakiana fotsiny, toa miandrandra fanovana nefa tsy miezaka ny handray ny anjara tandrify azy. Ao kosa nefa ireo tanora efa tonga saina ka miasa avy hatrany , mitady ny fomba rehetra hanavotana an’i Madagasikara.
Josie
Ramanitrarisolo Maminiaina Josie no anarany feno. Vao 18 taona monja izy ary anisan’ny tanora tena misongadina eo amin’ny fiaraha-monina misy azy. Tovovavy be fitiavana, tia manampy sy manasoa ny manodidina ary be nofinofy raha i Josie. Anisan’izany nofinofiny izany ny hanandratra an’i Madagasikara amin’ny avo indrindra ary tsy nijanona ho nofinofiny ihany izany fa tena efa miasa sy mandray ny andraikiny manoloana izany izy, izay ataony amin’ny alalan’ny firotsahana an-tsitrapo.
« Mirotsaka an-tsitrapo mba hitondra fiovana ! »
Maro ny fomba ahafahana mitondra fiovana, ary samy manana ny fomba hahafahana mitondra fiovana ny tsirairay. Raha ho an’i Josie manokana dia ny firotsahana an-tsitrapo no hitany fa fitaovana mahery vaika indrindra entina mitondra izany.
« Ilay firotsahana an-tsitrapo dia zavatra tiako indrindra ary rehefa tiana manko ny zavatra iray dia vita tsara foana » hoy izy.
Tamin’ny taona 2015 izy no nanomboka niditra tao amin’io sehatra io: nampianatra ny taranja Anglisy teny amin’ny EPP Ampasandratsarahoby nandritry ny fotoana lavalava. Nanomboka teo dia tsy nijanona intsony izy fa te hanao zavatra bebe kokoa hatrany , indrindra moa ny hoe hitarika tanora maro toa azy ary hanaporofo amin’ny rehetra ny tena maha zava-dehibe ny firotsahana an-tsitrapo . Setrin’izany dia nanapakevitra ny hanorina ny fikambanana « Young Volunteers » izy tamin’ny taona 2016 lasa teo.
« Young volunteers»
« Young Volunteers » na « Tanora mirotsaka an-tsitrapo » dia fikambanana tanora mpirotsaka an-tsitrapo, mivondrona mba hitondra fiovana eo amin’ny fiaraha-monina. Tamin’ny volana desambra 2016 lasa teo no nanomboka nanao ny tetikasa voalohany izy ireo ka ny natao tamin’izany dia fizarana « Sandwichs » tamin’ireo mahantra teny Faravohitra, Mahamasina sy ny manodidina. Ny tanora ankehitriny dia be hevitra be ao an-doha fa anisan’ny tsy ahafahan’izy ireo manantanteraka izany ny tsy fahampiana ara-bola. Raha ho an’i Josie sy ireto tanora ato amin’ny “Young Volunteers” ireto , tsy nataon’izy ireo sakana izany fa nitady foana hevitra hahazoana vola nahafahana nividy ireo fitaovana rehetra ilaina tamin’ilay tetikasa , ka nanao karazana « collecte de fonds » tamina toerana vitsivitsy izy ireo tamin’ izany. Nitohy hatrany ny asa soa izay nataon’izy ireo ka ny nanombohany azy tamin’ity taona ity dia ny fitsidihana ny « Maison de charité » tetsy Ambanidia tamin’ny volana janoary lasa teo ary tsy vao ela akory no nizara fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy kamboty taizaina etsy amin’ny « Akany Tsimoka » Anosy Avaratra izy ireo.
Ny tetikasa manaraka…
« Ny toe-tsain’ny Malagasy mihitsy no efa simba! Na be dia be tahaka ny inona ary ny olona te hitondra fiovana dia tsy misy dikany mihitsy raha tsy ny toe-tsaina mihitsy no amboarina », hoy ihany i Josie.
Efa sarotra nefa ny hanova izany toe-tsaina izany amin’izao fotoana izao, indrindra ho an’ny olon-dehibe satria efa mijoro amin’ny heviny foana izy. Setrin’izany dia nanomana tetikasa iray i Josie miaraka amin’ireto tanora ireto ny hampianatra ny ankizy sy ny tanora eny « La Réunion kely » sy ny manodidina amin’ny volana desambra ho avy izao. Be dia be ny zavatra ho ampianarina toy ny “éducation civique”, fikajiana ny tontolo iainana, sns… Mila tanora maro hiara-dalana aminy izy, hiaraka hitondra fiovana, tsy amin’io tetikasa io ihany fa amin’ny tetikasa rehetra, hanatevin-daharana ny fikambanana “Young Volunteers”.
Maro ny olona milaza fa ny firotsahana an-tsitrapo dia zavatra tsy mampandroso. Voalohany noho izy tsy handraisam-bola na karama. Faharoa dia manjary lasa zatra tolorana fotsiny ny olona satria mahita anao tia mizara maimaimpoana ka lasa manao tanana zatra mizotra sy miandry tolorana fotsiny. Misy marina, misy diso! Ny firotsahana an-tsitrapo dia fanaovana zavatra tsy an-tery, tsy mila tambiny fa am-pitiavana sy am-panetrena.
« Mahatsiaro sambatra be aho rehefa avy mirotsaka an-tsitrapo. Mahafaly ahy ny mahita ny tsiky eny amin’ny tavan’ny tsirairay ka izany dia efa hitako hoe fiovana ngeza be anakiray » hoy Josie.
Tena ilaina izany eto Madagasikara! Ilaina ny mifanome tanana, manampy ireo sahirana mba ho foana manaraka izany ny fahantrana. Raha jerena ny isan’ny mpanan-karena eto Madagasikara dia tena ho firenena lavitry ny fahantrana i Madagasikara raha ny tsirairay eo amin’ireo mpanan-karena ireo no manapakevitra hanome tanana ireo mahantra. Ny tanora toa azy rehetra mihitsy no antsoina handray andraikitra eo anivon’ny fiaraha-monina; tsy voatery amin’ny alalan’ny firotsahana an-tsitrapo ihany fa samy manana ny fomba hitondrana fiovana ny tsirairay. Nefa kosa, ny fitondrana fiovana dia tsy voatery hoe amin’ny alalan’ny zavatra goavana be foana. Ny zavatra kely izay atao ary indraindray no tena mahavita mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina, izay tsy eritreretin’ny saina mihitsy: ohatra azo raisina amin’izany ny tsy fanariana fako eny rehetra eny, izany dia efa fiovana lehibe satria anisan’ny olona mikajy ny tontolo iainana ianao amin’izay. Tsy vitan’olo-tokana ny fampandrosoana an’i Madagasikara fa ny rehetra mihitsy, indrindra ny tanora, no tokony handray ny anjara tandrify azy mba hampandroso ny fiaraha-monina sy ny firenena. An’ny Malagasy rehetra i Madagasikara e! Ka tsy aleo ve isika Malagasy no miezaka miaro sy manandratra ny firenentsika? Raha isika tompony ary no tsy mahay manaja ny firenentsika, ataon’ny hafa ahoana ny hanaja azy e?