Press "Enter" to skip to content

Literatiora – Manambatra ireo poeta miisa 30 ny “Poésie de Madagascar”

Book News Madagascar 0

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Alarobia 07 Mai 2025 teny amin’ny Bibliothèque Nationale Anosy ny antôlôjia ” Poésie de Madagascar”, nosoratan’i mpikaroka Dominique Ranaivoson.

Ny Antôlôjia “Poésie de Madagascar” dia maneho ny hetsika ara-literatiora natokana ho fahatsiarovana sy fitaomana ara-kolontsaina. Nosoratan’i Dominique Ranaivoson, mpikaroka malagasy, izy io. Fitaovana fitadidiana sy fampitana, natao hampahafantarana ny tononkalo malagasy ho an’ny besinimaro sy eo amin’ny sehatry ny literatiora iraisam-pirenena ihany koa ity Antôlôjia ity.

“Izao lanonana fampafantarana ny Antôlôjia izao dia fanekena amin’ny fomba ofisialy ny maha zava-dehibe ny tononkalo amin’ny vakoka tsy azo tsapain-tanana”,

hoy ny Tale jeneralin’ny Kolontsaina ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ity famoahana amin’ny fomba ofisaly ny boky “Poésie de Madagascar”.

Mampivondrona voalohany ireo tononkalo malagasy amin’ny teny Frantsay ny  “Poésie de Madagascar”   ary  mampivondrona ny feon’ireo poeta telopolo avy amin’ny taranaka samihafa, maneho ny fahasamihafana sy ny halalin’ny aingam-panahy Malagasy ihany koa.

Poésie de Madagascar
Dominique Ranaivoson (ankavanana), mpikaroka malagasy, nanoratra ny Antolojia “Poésie de Madagascar”. cc: Toria Dimbiniaina

Ity boky ity dia manome toerana ho an’ireo mpisava lalana toa an-dRabearivelo sy Rabemananjara, tsy manadino ny mpiara-belona toa an-dry Jean Luc Raharimanana sy Elie Ramanankavana.

Misy pejy  368 ny boky ary tohanan’ny Fond Yavarhoussen.

Nandritra ny lahateniny, Emmanuel Bérard, tale jeneralin’ny Tahirim-bola Yavarhoussen, dia nanamafy ny fahavononan’ny fondation hanohana ireo hetsika ara-kolontsaina lehibe mitondra anjara biriky amin’ny fampiroboroboana ny vakoka ara-tsaina malagasy.

Toria Dimbiniaina

0 0 votes
Évaluation de l'article
Subscribe
Notify of
guest
0 Commentaires
Oldest
Newest Most Voted
Inline Feedbacks
View all comments
0
Would love your thoughts, please comment.x
()
x