Last updated on 30/11/2024
Last updated on décembre 9, 2022
Tolona, izay no mbola azo hitenenanana ny eto Madagasikara mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana. Araka ny tatitry ny FNUAP, tsy ampy ny fanabeazana ara-pananahana eto amintsika satria zatovo 3 amin’ny 10 ihany no misitraka izany. Manoloana izany anefa, Ny 45%n’ireo tovovavy manodidina ny 15-19 taona no efa niroso tamin’ny firaisana ara-nofo. 31%n’ireo vehivavy no manao firaisana ara-nofo alohan’ny faha 15 taonany raha 22,3% ny tovolahy (FNUAP 2022).
Article français disponible ici
Mbola lavitra ny lalan’i Madagasikara
Maro ny antony mahatonga ny ankizivavy ho tafaroso aloha loatra eo amin’ny fitondrana vohoka. Ankoatra ny tsy fahasahiana miresaka ny fiainana ara-pananahana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ao ihany koa ny tsy fahasahian’ireo tanora manantona ny tobim-pahasalamana na CSB II izay misy fanoroana hevitra maimaimpoana natokana ho amin’izany. Misy ihany koa ireo trangana fanolanana izay mahatafalatsaka an-kanterena ireo zazavavy sy ny fanerena azy ireo hanambady tsy araka ny sitrapony noho ny fomba amam-panao izay mbola misy any amin’ny faritra sasany eto Madagasikara.

Loza mihatra, indrindra ho an’ireo vehivavy ny toe-java-misy eto amin’ny firenena. Manimba ary mahafaty mihintsy aza.
« 75 000 isan-taona ireo vehivavy manala zaza an-tsokosoko araky ny fanadihadiana navoakan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Ary vehivavy 10 isan’andro no maty vokatry ny fahasarotana manodidina ny fitondrana vohoka sy fiterahana, ka ny 3 amin’ireo dia tovovavy 15-19 taona. »
Niditra an-tsehatra ny IPAS sy ireo mpanao gazety
Nitondra vahaolana manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ny IPAS Afrique Francophone, vondrona iray ao amin’ny fandaharana asa Wish2Action Madagascar izay misehatra amin’ny fahazoan’ny vehivavy rehetra ny tolotra mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana manara-penitra.Ka izany indrindra ny nahatonga io vondrona tsy miankina io nikarakara atrikasa ho an’ny mpanao gazety, nandritra ny roa andro, ny 26 Novambra ka hatramin’ny 27 Novambra lasa teo, tany Andasibe.

Tanjona tamin’izany ny nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety mba hitondran’izy ireo anjara biriky amin’ny fanapariahana ny ita tsara ho fantatra mahasika ny fiainana ara-pananahana. Ary indrindra ny fanatsarana ny serasera mahakasika ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana tokony ho fantatry ny sarambabem-bahoaka. Voakasika ao anatin’izany ny zon’ny vehivavy amin’ny fahafahany mandrindra ny fiterahany, mba hahalavorary ny fahasalamany.
Araka ny nambaran’I Ravololomboahangy Holisoa, Tompon’andraikitry ny fisoloana vava eo anivon’ny Ipas:“Miankina betsaka amin’ny fanaparihana ireo ita ireo ny hahafahan’ny tanora miaro ny tenany amin’ny vohoka tsy niriana, amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, ary ihany koa miaro ny vehivavy izay efa tafiditra ao an-tokontrano mba hifehy ny fiteharany hahafahany manatsara ny fiainany”.
Nohamafisiny ihany koa fa manana andraikitra ny olom-pirenena tsirairay ho fiarovana ny fahafatesana be loatra manoloana ny fanalan-jaza an-tsokosoko izay afaka sorohana soa aman-tsara.
Shénica Ravoson